|
Ny Korea Atsimo na Repoblikan'i Korea dia firenenan'ny Azia atsinanana any atsimon'ny tanjona koreanina. Seoul (서울, seo-ul) ny renivohiny. Ny fiteny koreanina dia tenim-pirenena, ny soratra ampiasaina dia ny hangul ary ny won ny vola ampiasaina.
Any avaratra, 238 km ny halava ny sisintany manasaraka azy amin'ny Korea Avaratra. Zone demilitarisée ny manodidin'io sisintany io, fa izy anefa no tena « militarisée » indrindra eto an-tany.
Hanguk ny anarana omen'ny koreanina ny korea Atsimo, ny dikany dia « Firenenan'ny Han » (soratra hangeul : 한국 ; soratra hanja : 韓國), ny Han dia mponina prehistrôrika niaina tany korea (aza afangaro amin'ny Han sinoa). Choson ny solonanaran'io firenena io (Chosŏn, 朝鮮).
Ny dikan'ny Daehan Minguk (대한민국 ; 大韓民國) dia « Repoblika ben'ny Han ».
Questions for article:
|